Misy miangavy mba mila fanampiana
Irony efa zatra mitrosa lava irony
Mangataka amy namany sy fianakaviana
Kinanjo vao mahazo dia iny tsy hita intsony
Misy toa manana tsy mahantra akory
Hita ety ivelany ny fiainany misosa
Kanefa re ny toetrany dia manorisory
Sady mpisoloky no tsy mpamerin-trosa
Indrisy fa dia maro no lasa toy izany
Tsy ampoizina mihitsy fa feno ny tanàna
Voany daholo na ambony na ambany
Feno mpisoloky hatrany anaty fanjakana
Rasamy