Marary ka marary

Marary ka marary

Marary ka marary ilay Madagasikara
Tsy hitako intsony izay tokony ambara
Aleo angamba sisa ny tantara no hitsara
Hanenjika antsika ny zanaka any afara 
May ny tanety etsy sy eroa
Tsy tanety ihany fa ny ala mihitsy koa
Ripaka hatramin’ny valanjavaboahary
Tsy mifidy dorana ireo olo-tsy manjary
Fantatra ihany koa fa na ny gidro aza
Tratry ny aretina ny eny Tsimbazaza 

Ny vahoaka moa efa ela no marary
Tokantrano firy mahantra sy mosary 
Ireo izay tsy salama dia kivy sy mijaly
Ratsy karakara any anaty hopitaly
Marary ihany koa ny seham-pamokarana 
Na ny fitsarana na ny seham-pampianarana
Zary mitotongana ny ara-toekarena
Potika avokoa ireto lalam-pirenena 
Isan-kerinandro koa dia misy hadalana 
Ataon’ireto sasany tampoham-pahefana

Ô ry Zanahary ô, ô r’Ilay Mpahary 
Vonjeo ny taninay fa marary ka marary

Rasamy

Laisser un commentaire