Raha ny zavatra lazainy
sy kabary tanisainy
no henoina sy jerena
dia hainy ny mampanantena.
Mipoerapoera fatratra
mihevitr’azy ho tonga lafatra
k’izay rehetra teo taloha
lazainy ho resiny avokoa
fa raha izy no voafidy
dia ho rava ireo mangidy
mampijaly ny vahoaka.
Ela ny ela ho tafavoaka
Hiova hono ny tantara
Ho sambatra i Gasikara
Izy izany ilay Mesia
sady koa mpanao mazia
Moa va tsy toy izany foana
nandritra ny enimpolo taona?
Milaza fa hanolo-tena
hampandroso firenena
Indrisy re tsy izany akory
fa mainka aza mampahory
Fahantrana miharihary
Tsisy zavatra manjary
Mainka mikoroso fahana
Mihena hatramy fahafahana
Mitohy koa ny fanjanahana
Ny vahiny no mibahana
Mihamafy ny fiainana
Miharatsy ny fisainana
Tsy nahomby ilay mazia
Hay mpandainga ireo Mesia
Rasamy