Loham-poza

Loham-poza

Angamba fantatsika
f’ireny foza ireny ao anatin’ny sobika
dia mifampisintona midina ambany
sady mifanaikitra tsisy toy izany
Izay ilay toetram-poza mampiavaka azy
Tsy miaraka mandroso fa miaraka voasazy 
Misy mba miezaka hiakatra ihany
Ny hafa indray misintona azy hilatsaka amy tany
Dia migadra ao daholo
Tsisy tafavoaka ny foza manontolo
Nefa dia inona hoy ianao no fiafarany? 
Lasa foza saosy anatin’ny vilany

Inona no lesona azo mba tsoahina? 
Aoka tsy ny foza no tahafina sy arahina
Aleo mifampisintona miakatra ambony
fa tsy miady an-trano lavareny intsony 
Indrindra moa raha toa ka mpanao politika 
Aok’izay ilay toetra efa mahazatra antsika 
Mifamingampingana sy mifanonganongana 
dia ilay firenena avy eo no mitotongana 
Tsy mety mba tafarina, tsy mety tafavoaka 
Fahantrana lalina no iainan’ny vahoaka 
Mizaka ny mafaitra sy idiran-doza
Noho ireo olombelona zatra loham-poza. 

Rediredin-dRasamy

Laisser un commentaire