Amin’izao Noely izao
dia irariako ho anao
ny fiainam-pifaliana
anilan’ny fianakaviana
Ho lavitry ny ahiahy
fa na ny saina na fanahy
dia ravoravo sady tony
Misaotra indrindra ny ao Ambony
Amin’izao Noely izao
dia entaniko ihany ianao
Hahatsiaro kely ireo sahirana
Hananany endrika mba mirana
Zarao na kely fotsiny aza
Omeo izay misy sy sahaza
Satria tokoa ny Noely
Andro tena hafa kely
Rasamy