Mampanongo tena

Mampanongo tena

Efa mila hampitroatra
fa tafahoatra loatra 
ny mitranga ankehitriny.
Ialàko re ny tsiny
fa sady mahamenatra no koa maharary
Tsy azo afenina intsony fa hita miharihary
ny fahasahiranana manjo ny firenena
Toa ratsy avokoa izay vaovao jerena
Potika tanterak’ireo lalam-pirenena
Ny jiro sy ny rano mbola tapaka eny foana 
Hitombo tsy ankijanona ny olona izay noana 
Satria arivo ariary izao ny kapoakam-bary
Ny « Euro » iray efa ho dimy arivo ariary

Fa ny tena loza sy mampihorin-koditra,
ny vavako hiteny aza zary toa mangovitra, 
Mampivarahontsana ny vaovao miely,
hoe misy ireo mivarotra ankizy mbola kely. 
Amidy moramora tsy asiana ady varotra 
Ny menaky ny aina no lasa entam-barotra 
Omena izay olona manaiky ny ankizy 
Tena latsam-paka loatra ny krizy 
Valaka ny saina, tsy hita intsony izay lazaina
Satria dia fahantrana efa mihatra aman’aina 
raha toa ny zaza mihitsy no amidy na omena.
Raha marina izany dia mampanongo tena
Mbola tsisy toy izao hatramin’ny fahaleovan-tena

Rasamy

Laisser un commentaire