Avereno re ny volany raha toa ianao nitrosa
Mahagaga mihitsy fa dia misosasosa
ny vavanao miteny rehefa hoe hangataka
Kanefa aty aoriana dia mody mihatakataka
Omeo tsisy farany, ao mba ampindramo
Fa rehefa hamerina dia mikatramotramo
Sady tsy mangina fa mbola basivava
Gisa homan-ketsa k’izy indray no avo vava
Iny volany iny anie ka vidin-katsembohana
Azy dia takiany, f’aza dia kepohana
Mankarary azy ny volany raha very
Ianao no tsy menatra manao fangalam-piery
Mainka izy sosotra sy marary fo
Mahita anao miedina makatsy makaroa
Mampidera fiainana anaty tranonkala
Takiana trosa anefa mody misary adala
Rasamy