Sakaizan’ny mpandresy

Sakaizan’ny mpandresy

Misy tena misy ny sakaizan’ny mpandresy
Tsy laitra izy ireny rehefa injay ka resy
ny ekipa izay tohanany,
fa avy dia kantsanany.
Ranona no diso e, tena tsy mahay
Esory any ireo fa tena tsy milay
Olona tsy alehany, tsisy ilavana azy
Ravao any mihitsy sady omeo ny sazy

Kinanjo aty aoriana vao mibata fandresena
Iny ekipa iny ihany tsy nitombo tsy nihena
dia miova tsotr’izao ny zavatra lazainy
Lasa mpanohana amin’ny fony sy ny sainy
Misy aza moa ireo sahy manambara
Fa izy no nahatonga ny vokatra ho tsara
Nefa hatrizay tsy hita izay mba vitany
Na ny mpilalao aza sambany no hitany

Toy izany foana ny eto Madagasikara
Betsaka ireo manao fihavin’ny tafara
Namany ianao rehefa mba tafita
fa raha sahirankirana dia odiany tsy hita
Mahazatra izany hatrany anaty fanjakana
Misy karazan’olona tena higagàna,
satria na iza koa na iza ireo mpitondra nifanesy,
dia manova palitao ry sakaizan’ny mpandresy

Rasamy

Laisser un commentaire