Virijiny

Virijiny

Eny hoy aho rankizy
somokotra izay tsy izy
izato ianareo fa hoe mpifakatia,
handeha hifanjohy sy hiaradia
satria andro miavaka ity anio ity. 
Zatra mifanoroka fotsiny hatrizay,
fa anio kosa dia hono andro iray,
te hanome porofo,
ka na tsy mbola mpifamofo,
mety tsy hivady akory, 
dia iny tapa-kevitra fa hiaraka hatory. 

Roboka tanteraka ireto zazavavy 
Ireny fa namonjy ny olon-tiany avy
Sodokan-tambitamby ataon’ny lehilahy
dia iny vonombonona tena sahisahy.
Tandremo anefa lahy, sao hanenina aoriana
k’iny indray mandeha teny ambonin’ny fandriana,
no hitondràna kitro na koa hitomaniana.
Aza misy anie izany, mitandrema ihany
Fa na andron’ny mpifakatia aza androany
Aza dia manaiky ny ho drokidrokiany
Ka handeha hanary ny maha virijiny

Rasamy

Laisser un commentaire