Rehefa ilay mpanao hala-botry no mba tratra
dia fomba amam-panao efa zary mahazatra,
ilay fitsaram-bahoaka.
Tsisy hoe tafondro na basy koa mipoaka
fa daroka sy vono tsisy alaharo
Mamely ao daholo na vitsy koa na maro
Miala hatramin’ny aina
Tsy misy na iray aza mba tonga saina,
fa iny olona iny raha naka ny tsy azy,
dia mendrika ho faizina sy omena sazy
Saingy sazy mba sahaza ny ditra izay vitany,
fa tsy avy hatrany dia ny fasana no hitany.
Nefa etsy andaniny mankarary fo,
ny maheno isan’andro etsy sy eroa,
fa any ho any misy nangalatra miliara,
fantatry ny maro eto Madagasikara.
Tsisy sazy azony, tsisy fitsarana
Izy ireny mihitsy indray aza mazàna
no mirehareha fa tompom-pahefana
Ao ireo manondrana harem-pirenena
Misy ny mamadika ho vy ny volamena
Ny kolikoly avo moa tsy lazaina intsony
Kanefa dia milamina daholo ry lerony
Miriaria eny na misy aza ampamoaka
Tsy mba iharan’ny fitsaram-bahoaka.
Rasamy