Soso-po

Soso-po

Avoay re ny volany
Isan-taona izao dia izany foana ny olany
Mampitolagaga ny olona mijery
F’inona mihitsy ary izato misitery
Io vola io ve tsy efa vonona ao foana e
Kanefa dia lalaovina tsy hay hoe nahoana
Sa mbola mihodikodina mandalo lalan-kafa
Mampijaly mpianatra, atao mijafajafa
Dia lasa migrevy manao filaharana
Mitaky fandoavana vatsim-pianarana
Ny kibo noana lava satria tsisy vatsy
Ny trano ipetrahana kely sady ratsy
Sady efitra fandriana no fanaovan-dakozia 
Ny jiro tapatapaka soloina labozia 
Ny rano etsy andaniny ritra ny robinet 
Ny rindrina mitriatra ny tafo mitete 
Efitrano iray mpianatra efa ho enina
Impiry impiry izany no efa notenenina
Fa tsisy mihaino moa
Koa mahagaga ve raha toa ka soso-po

Rasamy

Laisser un commentaire