Mifona re

Mifona re

Gina re ny maro, tsy mahateny intsony 
Maheno ny kabarin’ny mpitondra ambony 
F’izy tsy matahotra ny mpifaninana aminy
Ny sasany hono latsaka hatramin’ny amaniny 

Tao aorian’izay dia nikabary ihany koa
Lehilahy iray milaza hilatsaka ho Filoha
F’izy tompon-daka amin’ny resaka judo
Tsy « fake » hono izany fa navoakan’ny radio

Mifona re rey olona hitondra fanjakana ô
Aleo mba ny fahaizana sy ny fahalalàna
Miampy finiavana sy ny fahendrena
No entina manavotra an’izato firenena

Rasamy

Laisser un commentaire