Vola sy fahalalàna

Vola sy fahalalàna

Raha toa ka be ny vola fa tsisy fahalalàna
Mety mora lavon’ny karazam-pilibàna
Raha tsy voafehy aza matetika mazàna 
Lasa mivarilavo sy ratsy fiafarana 

Raha toa ka tsisy vola sady tsisy fahalalàna 
Dia mazava hoazy fa tena fahantrana 
Mijaly anaty olana sarotra vahana
Sady ambanian’ny  mpiray tanàna 

Raha toa ka tsisy vola fa be ny fahalalàna
Mety ihomehezan’ny sinoa sy ny karana
Lasa mpiasan’olona sady mpikarama
Tsy afaka mivelatra anaty fandraharahana 

Tena tsara indrindra lazaiko anao ry akama
Sady manam-bola no manam-pahalalàna
Tsy mora ambakaina na olona sagnana 
Tsy misolelaka mpitondra fanjakana 

Rasamy

Laisser un commentaire