Ny vady aman-janaka
dia tsy azo atao mandreraka na hoe mahalanaka
ny mikarakara sy mamelona azy
Tsy sanatria koa sazy,
na adidy be mavesatra tsy maintsy hiantsorohana
Fa fanehoam-pitiavana hatrany am-panombohana
Tiana ny vady matoa novadiana
Ny zanaka ihany koa tena zanaka nirina
Noho izany indrindra dia ireo no tena namana
Ambony noho ny harena sy izay mety ho fananana
Raha misy ny manjo na mankarary loha,
dia ny fisian’ireo no mampionona ny fo.
Na mafy ny fiainana ka mila tsy ho zaka,
dia ny vady aman-janaka miara-mampitraka.
Indrindra moa raha sambatra fa tsy hoe mijaly,
dia ireo no voalohany hiarahana mifaly
Na tiana aza ny namana any ambadika any
Ny vady aman-janaka mbola hafa ihany
Rasamy