Pasipaoro

Pasipaoro

Eto Madagasikara dia mijaly ilay vahoaka
Kanefa raha mahita lalana hivoaka
Dia loza no manjo
Tsy moramora koa
Fa na ny pasipaoro aza sarotra alaina 
Mahavalalanina sy mahalasa saina 
Voaozona ary ve isika malagasy 
Aiza k’isaky ny mikarakara taratasy 
Dia mipenipenina mila hitomany
Nefa anie rey olona ka n’aiza eran-tany
Tsy olana mihitsy izany pasipaoro izany e
Tsy akory ilay izy hoe maimaim-poana 
Fa  vola be miala avy ao am-paosy foana 

Ianao dia malagasy natera-dray sy reny 
Karapanondronao koa aza  efa  miteny 
Dia mbola ilaina vaniny 
Izany no mahazo ny gasy eto amin’ny taniny
Raha toa tsy manam-bola handehanana any andafy
Dia miharitra eto foana amin’ny fiainana mihamafy
Raha toa indray misy atao ka te hivoaka kely
Ny fanaovam-pasipaoro tsy mora velively 
Rahoviana loatra vao mba hisy fiovana e
Jereo malakilaky re ry manam-pahefana ô 
Mila hahakivy ilay revy eto an-tanàna 

Rasamy

Laisser un commentaire