Manaova madio

Manaova madio

Betsaka ny olona tsy mba tia madio
Ny ankajony tsy miova omaly sy anio
Fa dia iny foana
No hita eny an-kodiny mandavan-taona
Tsy akory hoe tsy manana
Fa tena efa fahazarana
Ilay tsy mivaky loha
Ka na ny akanjo ambony na ny pataloha
Dia malotoloto sy kitoatoa
Hany ka tsy hajain’ny olona ihany koa

Tsy manaja tena ny olona toy izany
Ny sasany aza angamba tsy nandro androany 
Mety efa elaela mihitsy tsy nisasa
Nefa isan’andro dia mandeha miasa 
Dia iny fa mamofona sady mahasorena
Na any anaty bus na sendra mifanena
Ny fofo-tongony aza toy ny fromazy
Mankalailoy ny mieritreritra azy

Ô rey olona ô, izao no tadidio 
Mila fanajana anie io vatanao io e
Manjary tsisy hajany manoloana ny hafa
Manaova aloha madio raha mba te ho tafa 
Madio ny ety ivelany, madio koa ny anaty
Ny fo koa diovy, ny saina tsy poakaty 
Izay no fanombohana raha hitady fahombiazana 
Maharesy lahatra ny olona mpitazana 

Rasamy

Laisser un commentaire