Loza

Loza

Malaza tato ato
heno tsy ankiato
ilay resaka rongony 
Toa tsy voafehy intsony 
fa miparitaka tokoa
raha ny feo heno etsy sy eroa
Tsy kely tsy lehibe 
raha ny hita sy ny re 
Ary tena efa malaza 
fa na ny mpianatra aza
dia betsaka no voa 
Iza loatra re no tena ati-doha? 
Mibizina mivarotra sady mamosavy 
Tsy mifidifidy fa miandahy miambavy

Tandremo ry tanora 
Tsarovy fa tsy mora
ny vokatra aterany
Ianao ihany re no herany 
Manàna fahasahiana miady sy mandà
Ialao lavitra mihitsy ilay fakam-panahy 
Ndrao taritin’olona amy zavatra toy izany 
Lasa mamono tena aza no mety hiafarany 
Ô ry fanjakana ô, ô ry fanjakana !
Arovy ny tanora e! Ampiharo ny lalàna !
Ô ry mpanabe ô, ry Raiamandreny !
Aoka isika hijoro sy hahasahy hiteny 
Samia mananatranatra ny zanaka ao an-trano 
Sao lavon’ny rongony vao hahita angano 
Ndeha re hifanentana arak’izay tratra 
F’ilay « rôrô » anie ka efa loza mihatra e!

Rasamy

Laisser un commentaire