Ny eto an-tanàna

Ny eto an-tanàna

Ny eto an-tanàna leisy tena hafa mihitsy 
Ialahy raha vao miteny tsy mitsitsitsitsy
Fa mananatranatra tanora mba ho hendry 
Dia tsy ampahafiriny hono fa mianakendry

Eto an-tanàna ialahy raha toa manan-katao
Dia misy mialonalona fotsiny amin’izao
Lazainy fa mpangalatra, tsy manao ny marina 
Ny haren’ialahy indray no tiany angalarina 

F’eto an-tanàna koa raha toa ialahy mahantra
Dia aza manantena hisy olona hihantra
Mainka ialahy esoiny sy ambanimbaniany
Nefa tafita ialahy vao mainka indray tsy tiany 

Hafahafa leisy ny vahoaka  eto an-tanàna 
Ny tiany sy fidiany dia ny tsy ampy fahalalàna 
Izay mampirevy ihany no omeny vato
Ny ankoatr’izay kosa dia aotra isan-jato

Rasamy

Laisser un commentaire