Manabado vahoaka

Manabado vahoaka

Eto Madagasikara, ny tena fahavalo
dia tsy akory hoe malaso sy dahalo
na ireo mpangala-botry sy mpanendaka eny an-tsena
f’ireo sasantsasany mpambotry firenena
Manao ampihimamba ny fandraharahana
Tsy maty manota fa ambonin’ny  lalàna
Manondrana harena tsy misy fitsaharana 
Indrindra koa mamotika ny seham-pampianarana 
Tsy mitarika ny olona handinika hisaina 
fa vola fafy katrana ihany no ampiasaina
Manao fanahiniana  manabado ny vahoaka 
Manambitamby lava amin’ny vary iray kapoaka 

Toa sanatria vahoaka anaty habadoana 
no metimety aminy fa tsy ny fandrosoana 
Raha tiana hogejaina manko ny olom-pirenena 
dia ny fampianarana aloha no hosena 
Atao tsinontsinona sy maivana aok’izany 
Toy izay nataon’ireo mpanjanan-tany 
Toa satriny ilòna ao anaty fahantrana 
dia tsy hahatohitra ny herim-panjakana
Koa raha olona milaza hilatsaka ho fidiana
dia aoka  hisongadina ary tena hahaliana 
ny tetika ataony tsy hahabado ny vahoaka
Tsy miteniteny foana amin’ny vava izay avoaka. 

Rasamy

Laisser un commentaire