Neny ô, fetinao androany
Arahabaina indrindra ianao arak’izany
Nikasa dia nikasa tokoa re izahay
Hanao izay hampifaly anao toy ny hatrizay
Saika mba hihira sy hiaraka handihy
Kinanjo loza no afitsok’ity jiro maty ity
Tapaka efa ela tsy mimpody koa
Haiko ianao ry Neny fa kivikivy koa.
Nefa atao ahoana moa,
Aza sorena loatra re fa sao marary fo
Efa izao ny fiainana eto amin’ny tanàna
Tsisy akory ato na dia rano hisasana
Izahay anie ka te hanao mofomamy
Indrisy fa najanona noho ilay jiro ihany
Ndrao mantsy mofo ratsy tsy mba zarizary
Tsy hahafaly anao fa mainka aza hankarary.
Na izany aza ry Neny,
toy ny fanao ombieny,
dia indro fahatsiarovana kely anankiray
Miampy firariantsoa ho anao ilay mamanay
Ho ela velona e, hifanatitra aminay
Ny aina no matezà!
Tandremo tsy hiakatrakatra re ny tosi-drà
Noho ny hadalana ataon’ny Jirama
Rasamy