Tsingerin-taona 

Tsingerin-taona 

Isan-taona toy izao
dia faly aho misaotra Anao
ry Raiko any an-danitra any.
Mitsingerina androany
ny nahatongavako eto an-tany.
Endrey mirana aok’izany 
f’iraika amby dimapolo taona
Mbola velona eto foana
Salama tsara ihany koa
Satria namindranao fo

Na eo aza ny halemena 
sy hadalana sesehena,
nisy koa ny sedra maro,
sy alahelo nifangaro, 
dia marobe ireo fitahiana, 
izay nitondra fifaliana. 
Izaho misaotra lalandava 
ao am-po sy ao am-bava 
Nefa kosa hafa foana 
Rehefa mba tsingerin-taona 

Rasamy

Laisser un commentaire