Dada tsotra

Dada tsotra

Dada ô, fetin’ny Ray androany
Arahabaina indrindra izany Dadako izany
Iriko tena Iriko ianao mba ho salama
Ho samy ela velona anie ianao  sy Mama
Mbola hifankatia sy hiaraka eny foana
Ka na manao ahoana ny fandehan’ny fotoana
Dia reharehanay
Hoe iny dadanay
Iny ilay nitaiza sy nikolokolo
Vizana tokoa efa fotsy volo
Tsy nikeky aina tamin’ny asa fivelomana
Nahavita adidy tamin’ny ankohonana 

Tsapanay ankizy ny fahasahiranana 
Ianao mahay mikajy ny eo ampelantanana 
Ny fiainana mihasarotra tena mihamafy 
Ianao anie ry Dada hitanay fa mihafy
Ianao rahateo tsy mpitondra fanjakana 
Fa olon-tsotra tian’ny mpiray tanàna 
Tsy manam-bola be, tsy manam-bolamena 
Tsy nanodikodina harem-pirenena 
Kanefa aleonay ihany 
Ianao tsotra toy izany 
Tsy sanatria migadra noho ny fangalarana 
Na manan-karena tsy mba nisasarana 

Rasamy

Laisser un commentaire