Falifaly ery nahavita fianarana
Dia iny fa mihevitra ny hanam-pitsaharana
Kinanjo eo vao tazana indray manarangarana
Fa tsy tapitra eo akory ny tohatra fiakarana
Mainka aza kivy vao eo am-baravarana
Hay eto vao hanomboka ny fiainam-pisasarana
Kanefa izay ilay fiainana ry tanora namana
Aza kivikivy fa tohizo izato lalana
Ny revy sy ny ditra no aza ivalamparana
Tiavo izay atao mba hahita fahasambarana
Rasamy