Tsy mahay

Tsy mahay

N’inona n’inona ambara
dia voarakitra ho tantara
ilay resa-panadinana
Heloka ny fahanginana
Manoloana ny tandrevaka nataon’ny fitondrana
Nisavoritaka tokoa ilay fanadinam-panjakana
Nivoaka aloha ny laza adina
ka marobe ireo mpiadina
no tsisy fitonian-tsaina. 
Labozia no nampiasaina
satria dia tapaka ny jiro noho ny delesitazy 
Na ny labozia koa aza  mbola samy naka  ny azy
Tsy mba rariny intsony, mafy ny manjo ny ankizy 
Ny hatsiaka etsy andaniny mamirifiry izay tsy izy
Alim-be koa vao tafody
Izao no vokatry ny ataon’ireo tsy matahotody
Potika ny fampianarana, sa potehina no marina? 
Mihamilentika isan-taona tsy mba mety ho tafarina 
Zavatra hafa no nahamaika
Sao mba tena diso paika
ireo mpitondra firenena e? 
Tsy aleo ve manetry tena
Tsy ny hafa foana no antsoina 
ho tompon’ny fahadisoana 
Mba miaiky koa indraindray 
Mifonà  fa tsy nahay 

Rasamy

Laisser un commentaire