Misy tena misy ary maro ny mpamadika
Tsy mahamenatra azy akory ny mivadika
amin’ireo olona nahatoky azy.
Ataony ho toy ny tsisy na koa vazivazy,
ny fifanekena niarahana nanao,
fa dia ivadihany fotsiny am’izao.
Hainy tena hainy ny mandangolango
Talentany ihany koa ny manao rapadango
Henjana izy ireny f’aza voany ihany
Mandraingiraingy mihitsy, mila hitomany
Misy tsy miahotra mamadika ny namany
Rehefa injay mitady hisongona ny lalany
Tsy vitsy ny mivadika amin’ny teny izay nomeny
Ny sasany aza avadiny hatramin’ny fireneny
Tsy afenina intsony fa iarahana mahita
Ny fomba amam-panaon’ny mpanao politika
Mivaro-tanindrazana hahazoany tombontsoa
Toy ilay Rasanjy mpamadika taloha
Mahamenatra aza, aoka re ifonana
Betsaka Jodasy hatrany am-piangonana
Rasamy