Mahantra toe-tsaina
ny olona variana mijanona sy miaina
amin’ny zavatra efa lasa
Ary n’inona n’inona mety ho kinasa
dia ny tahotra indray no tonga mialoha
Tsy manam-pahasahiana, malemilemy loha
Sady tsy mba vonona hianatra ihany koa
Mimenomenon-dava sy manaiky faharesena
Lazainy fa devoly izay manan-karena
Dia mialona ny namany mahita fandresena
Toe-tsaina tsara kosa
ny an’ireo tsy mialona, tsy tia mifosafosa
Mifaly amin’izay azony omaly sy androany
Miasa sy maniry fa any aoriana any
dia hahazo fahombiazana
na hita izao aza fa sarotra sy mazana
ny lalana hodiavina sy sedra holalovana
Tsy mitaraindraina na mora torovana
Miala amin’ny fahazarana hitany fa ratsy
Manampy ny hafa koa rehefa tsara vatsy
Rasamy