Tsy tan-dalàna

Tsy tan-dalàna

Natao ho an’iza loatra ary moa ny lalàna? 
Manko mahavariana ny mitranga eto an-tanàna
Toa hafahafa foana ny didim-pitsarana
Zary mitanila hatrany hatrany ilay mizàna
Satria ireo mpangalatra akoho sy ganagana
Avy dia alefa any anaty figadrana 
Misy aza moa tsy meloka nefa dia tsy tana 
Fa ny varavaram-ponja no mivoha midanadana

Kanefa etsy andaniny, matetika mazàna 
Misy tena misy ireo manam-pahefana 
Hita miharihary fa nanao hadalana 
Tao ireo mpangalatra tena nigagana 
Ny sasany aza moa nanongam-panjakana
Nitarika vahoaka nanao fandrobana
Kanefa dia nahoana no tsisy fitsarana 
Afaka eny foana toa tsy nanam-pahotana

Rahoviana i Gasikara no ho tany tan-dalàna
Hanana mpitondra hendry sady feno fahalalàna 
Hahay hampiray tsy hivoy fankahalàna
Hanala ny vahoaka ao anaty fahantrana 

Rasamy

Laisser un commentaire