Fisainana bontolo
Mampalahelo ny vahoaka
fa lasa izy mitsoaka
vao manomboka mipoaka
ny baomba sy ny basy
Tsy te hiady intsony ve ireto malagasy
Zary manaiky sisa
Hany ka manjakazaka iretsy vitsy an’isa
Manana ny hery sy ny fahefana
Toa mitovy avokoa izay mahazo fitondrana
Samy mampanantena
fa hampandroso firenena
Mahay mikabary tsy mihambahamba
Kanefa dia vonona hanao ampihimamba
ny fahefam-panjakana
Manao izay tiany atao amin’ny didy sy lalàna
Te hikiaka ny vahoaka
Saingy tsy afaka mivoaka
mba hiteny sy hilahatra eny an-dalambe
Anaty fesiboky sisa no manao resabe
Mamoaka ny ao am-pony
Tsisy zavatra hafa azony atao intsony
Ny mpitondra variana manohitra mpanohitra
Ny mpanohitra variana mandeha mitety vohitra
Iretsy mpisolelaka kosa etsy andaniny
Mainka koa mandrangitra mahazo ranondranony
Ny fanaovam-politika rahoviana vao hiova
Hanahoana ny hoavin’ny taranaka mpandova
Tsy misy mba manao fijery lavitra daholo
Lany andro mifandramatra sy mifamono lolo
Tiantsika loatra mantsy ilay fisainana bontolo
Rasamy