Mahaiza miaina
Tsy maintsy ho faty foana e
Tsy misy ho afa-maina
Koa andanio fotoana
Izay mampifaly saina
Ny sakafo hano tsara
Izay tiana atao ataovy
Tetezo i Gasikara
Ny akanjo soa anaovy
Toneo foana ny fo
Dia mba mitsikia
Miezaha manao ny soa
Mahaiza koa mitia
Rasamy