Lehibe ialahy

Lehibe ialahy

Lehibe ialahy 
Efa tovolahy
salama sy tomady 
Endrey, faly izahay mivady 
f’ialahy ilay zanakay
no indro ankehitriny fa raisina ho mpandray 
Dia mitomboa fahendrena 
Inoako koa ialahy fa hahita fandresena 
amin’ny ady atao rehetra 
Hiavaka hatrany amin’ny fanahy sy toetra 
Ary indrindra koa ho feno fahalalàna 
Dia aza adino mihitsy leisy ny tanàna 
rehefa any aoriana
ka tojo sy tafita amin’ny tanjona irina
Ho tabiha ialahy sy ho reharehanay 
Tsy bado sanatria fa olona mahay
Tsara taizan-dray, tsara taizan-dreny
Tsy haniry olona fa ho irin’olona eny 
Ho vato sarobidy nasondrotry ny tany 
Mivavaka izahay mba ho to tokoa izany 

Rasamy

Laisser un commentaire