Te hiteny mafy aho nefa dia tsy sahy
Angamba any ho any marobe ny toa ahy
Manko indraindray tena tafahoatra
Mila hahakivy sy mampitehitroatra
Ny zavatra mitranga eto amin’ny firenena
Saingy mahatsiaro kely hery moa ny tena
Dia aleo mijerijery sy mitazatazana eny
Te hitabataba fa tsy afaka miteny
Mainka loza ny manjo
Mahita ny nanaovana ireo nafana fo
Nisy ny nigadra na maty mihitsy moa
Ny hany sisa sahy dia ireo sesitany
Afaka miteny mantsy any ivelany any
Izaho kosa indrisy kely vovokaina
Mbola tsy tafita koa ireto sombinaina
Dia aleoko mangina tsy hiteny intsony
Avelako hiseho irony habibiana irony
Aleo hanjakazaka ireo izay manam-basy
Manaiky tsy fidiny toy ny ankamaroan’ny gasy
Miharitra eny foana manantena f’any aoriana
Miandry an’Andriamanitra hanao ny famaliana
Na izany na tsy izany dia izao no faniriana
I Madagasikara anie hiaina anaty fitoniana
Rasamy