Anaka, manàna fahazotoana
Fadio ny hakamoana
amin’izay atao rehetra
Dia manàna tarigetra
Tiavo foana koa ny zavatra atao
dia ho tsapanao
fa any atoriana any
mbola hody ventiny avokoa izany
Na mafy toy ny inona ny asa na fianarana
Tsy kivikivy izany fa tohizana ny lalana
Ny ho tafita hatrany no tanjona kendrena
Ho azonao foana ny vola sy harena
Dia tsarovy koa fa ny fiainana mandalo
K’aza manangan’ady na mitady fahavalo
Katsaho arak’izany izay mety mahasoa
Ndeha izato izy mahereza mazotoa
Rasamy