Aza midaroka

Aza midaroka

N’inona n’inona ady 
eo amin’ny mpivady,
na tezitra tanteraka,
vinitra sy reraka,
noho ny ataon’ny andaniny,
efa mankaleo tsy hahitana maminy 
sy fafiny intsony,
toy irony lasa mpifahavalo irony 
Dia fadio hatrany ny mikasi-tanana 
Aza tia midaroka vady re ry namana 
Tsy maintsy miadiady raha mpivady koa 
Ny disadisa izany misy hatrany moa 
Tsy maninona afaka miteny mafimafy 
Lazao ny ao am-po f’aza mihafihafy 
Fa ilay mamono sy mamely kosa 
Fomban’olon-dia ratsy sy kanosa 
Aleo aloha mivoaka miala ao an-trano 
Aza midaroka azy sao hahita angano 
Ny herisetra manko voararan’ny lalàna 
Sady ndrao mitarika tsy fahasalamana 
Sanatria handratra fa toneo re ny fo 
Raha misy fahavoazana loza no hanjo 
Izay vao hitomany ho latsain’ny nenina 
Sady hitafy henatra sarotra afenina 

Rasamy

Laisser un commentaire