Ialahy vao mampiseho fiara tena raitra
Dia iny ry takaka fa tohana sy taitra
Nahoana hono ialahy no manan-karena
Kanefa ny vahoaka mahantra mahonena
Ialahy vao mampiseho sary mihinan-kanina
Lazain-dry takaka fa olo tsy milamina
Satria hono any ho any misy olona kere
Dia tsy tokony hisy sary izany anaty Fb
Ialahy mba mizara fahombiazana indray
Hoy ry takaka hoe io miseho milay
Satria hono efa potika i Madagasikara
Dia tsy azo atao intsony ny mizara izay mba tsara
Ry takaka ô, izany ve no mampandroso?
Tsy mainka mampihemotra sy mampikororoso?
Zava-dratsy ihany izany sisa no zaraina?
Nareo ve ry takaka mba olona misaina?
Rasamy