Isika malagasy dia hafa mihitsy kosa
Tia mangatangataka sy mitrosatrosa
Tsy olon-tsotra ihany f’indrindra fanjakana
Mpitrosa volabe tena higagana
Kanefa hiaraha-mahita indrisy hatramin’izao
Betsaka amin’ireo asa izay natao
no fotodrafitrasa tsy misy kalitao
Ny vola notrosaina, fa ny asa alasafay
Mifona kosa re, tena aok’izay
Mampalahelo mihitsy ny manjo ny firenena
Ny hoavin’ny taranaka aleo re mba jerena e
Io tandrametaka io zary mankaleo
Mila hahakivy ny zavatra miseho
Falifaly ery midehaka ho mahay
Nefa tsy mierina ny taona dia potika indray
ilay arabe namboarina, nampisosa fiara
Hay va re ity izy zara raha misy tara
Rivodoza iray manko no nandalo teo
dia tapaka sahady, loza no miseho
Maro koa ny trano toa manara-penitra
Vetivety foana dia mitriatra ny simenitra
Sady mahamenatra no manorisory fo
Be ny zava-bita fa toa kitoatoa
Aleo re mba zarina ny zanaka amam-para e
Hahay hanao zavatra kalitao sy tsara
Mba tena handroso marina i Madagasikara
Rasamy