Ny olona malemy ara-po sy saina
dia tia mamaly faty izay manirikiry azy
Mety mahavita mamono hatramin’ny aina
Avy eo vao latsa-nenina mijaly sy voasazy
Tsy toy izany kosa ny olona raha mafy
Mahazaka lagy sy mitsinjo ny ampitso
Na aza malahelo ny fony dia mihafy
Vonona hamela ny heloky ny diso
Fa mbola hafa indrindra ny manan-tsaina ambony
Tsy ahoany akory ireo izay mila vaniny
Ny fony sy ny sainy mijanona ho tony
Ny lalany no izorany, izay no mety aminy
Rasamy