Ialao

Ialao

Misy karazan’olona tena tia miteny
Na any an-trano izany na eny an-dalana eny
Na eny an-tokontany na ao an-dalantsara
Anatin’ny birao na any anaty fiara
N’aiza n’aiza aleha dia tia misoka-bava
Fady ny mangina fa mitabataba lava
Toa miteny foana fa tsy mangina mihitsy
Mahita ho lazaina tsy mitsitsitsitsy
Tsy mba mihaino ny hafa amin’ny fanazavana
Io vavany io mipentsopentsona mazàna
Sady mpifosafosa ny mpiray tanàna
Mitatatata foana tsy mba misy farany
Lasa tsisy lanjany intsony izay ambarany
Tia mitakoritsika hatrany am-piangonana 
Anaty toriteny sy vavaka fifonana 

Raha sendra izany ianao, dia inona no atao?
Aza mamaly akory, tonga dia ialao
Efa ho lava manko ka zary mankaleo 
Aleo hiteny irery hivazavaza eo

Rasamy

Laisser un commentaire