Endrey tsara ery ny miaina
raha hay ny mampitony saina,
mifaly amin’ny eo an-tanana,
sy mampitombo ny fananana
Fa tsara koa ny fahafatesana,
tsy misy intsony ny imatesana,
sy hazakazaka hatrizay
Eny, mandry fehizay
Ny anelanelan’izy roa
no ratsy mahavaky fo,
fa alahelo sy tomany,
ny fisarahana an-tany
Rasamy