Tahotra

Tahotra

Io tahotra io ry namana 
no mahatonga antsika tsy hanana 
fahasahiana loatra 
Hany ka manjary tsy afaka mivoatra 
fa mijanona amin’ny toerana misy hatrizay
Nefa anie isika olona mahay
Nomena saina afaka hiady ihany koa
fa saingy ny tahotra no lasa mialoha
Manenika tanteraka ny fo sy ny atidoha.
Io tahotra io tsarovy tsy maintsy misy hatrany 
Tsy misy olombelona tsy manana an’izany 
fa miavaka indrindra ireo sahy tsy mba niahotra
Nampiakatra hambom-po nandreseny tahotra 

Rasamy

Laisser un commentaire