Ho anao ramose, ho anao koa madama,
Ho anao tanora mpianatra na efa mikarama
Raha toa ka te hitandrina ny fahasalamana
Ilaina hatrany hatrany ny mikotrana ry zama
Tsy hoe indraindray fa atao fanao mazàna
Isan’andro mihitsy e, ilay vatana tamàna
Na andro mangatsiaka na midanika hafanana
Ny fanatanjahantena tsy asiana fandraràna
Atao toy ny sakafo feno ara-dalàna
Na koa dia an-tongotra miainga eo an-tanàna
Mandrapahatonga amin’ny toeram-piasana
Ka na efa antitra aza dia mbola mitàna
Tsy sanatria tanora dia efa higagàna
Tsy mikoja vatana fa toy ny damizana
Koa mitsangàna, ndeha re mikotràna
Rasamy