Hala-bato

Hala-bato

Tabataba tato ato
Misy hono ny hala-bato
Tamin’ny androm-pifidianana
Eny, toa ifaninanana
Ny miteny an-gazety 
Mitantara ireo tsy mety
Ny ankilany sy andaniny 
Mifampilampila vaniny
Tsy hita intsony izay marina
Samy milaza ho nangalarina
Na izany na tsy izany
Tena mahavariana ihany 
Raha mpanohitra indray
Izay voaporitra hatrizay 
Nogejaina tsy miato
No afaka hangala-bato

Rasamy

Laisser un commentaire