Modimody

Modimody

Jereo tsara namana
fa misy anie olona mody hoe tsy manana
Na ny paoziny aza tsy dia manaitra loatra
Modimody fanina toy ny tsy mivoatra
Nefa ry zareo any amin’ny banky any
Manam-bola be tsy misy toy izany
Tsy misehoseho nefa be harena 
Mody tsy miteny sy manetrinetritena

Fa any ho any koa, tsarovy re ry akama
Misy olombelona mahay fahagagana
Tsy be vola akory, tsy manan-karena
Fa ny endriny ivelany mampanontany tena 
Ny trosa izay babeny mbola miavosa
Babony avokoa izay olona kanosa
Modimody manana, modimody mafy 
Ny kaonty tsisy saosy, fa raitra ny fitafy

Rasamy

Laisser un commentaire