Fetiko

Fetiko

Fetiko androany 
Faly aho arak’izany
Eny e, toy izany foana 
Rehefa tsingerin-taona
Zara aza velon’aina
Ravo ery ny saina
Manko ho avy ny ora
Ho faty moramora
Toy ny olona rehetra 
Satria dia manam-petra 
Ny fiainana eto an-tany
Tsisy ho doria izany
Koa anio aloha mifaly 
Rahateo aho tsy mijaly 
Dia misaotra mialoha
Mankasitraka eram-po
Amin’ny firarian-tsoa

Rasamy

Laisser un commentaire