Mianara

Mianara

Raha nahantra ianao vao teraka
Sendra ray sy reny reraka
Nefa kosa na izany
Mba mandia sekoly ihany 
Dia ifikiro ny fianarana 
F’io ihany re no lalana
Hanovozam-pahalalàna 
Tsy ho andevom-pahantrana 
Ianao no hanova ny tantara 
Koa mianara re mianara

Rasamy

Laisser un commentaire