Atidoha

Atidoha

Io atidoha io natao ampiasaina
sy kolokoloina ary koa karakaraina
Manko misy olona kamo hampiasa loha
fa dia arahiny anjambany avokoa
izay lazain’ny hafa na diso io na marina
Manarakefa foana, moramora avarina
Misy ireo zatra mitranondri-dava
tia misitrisitrika sy manakom-bava  
Misy ihany koa ireo zary lasa adala
noho ny fidorohana daina tsy ankiala
dia foana teo ny saina mahaizy azy
Tsisy loha intsony hoy ny mpamazivazy

F’isika kosa aloha
na misedra olana maro ihany koa
dia tsy hijanona hampiasa atidoha
Mikatsaka tsy miato izay mety mahasoa 
Na manoratsoratra eny fotsiny aza
Na mamaky boky tsara sy sahaza
dia efa mikolo mandranitra ny saina
Sakafo isan’andro, mamelombelon’aina
Misy tanjona kendrena isa-maraina vao mifoha
Mahavita tena fa tsy tia miankin-doha
Toy izany isika mpampiasa atidoha 

Rasamy

Laisser un commentaire