Fahirano

Fahirano

Mbola tsisy re ny rano e!
Mafy ny iainana ao an-trano 
Ianao maraina vao mifoha 
Mihevitra hanasa loha
Na ny hariva handeha hatory
Tsy afaka misasa akory
Eny,  tsisy rano foana e!
Efa mampiteny moana
Sady tsy ny rano ihany
Ny jiro koa dia toy izany  
Tapaka isan’andro izao
Efa zary mankalao

Tena leo ny vahoaka
Misy mihitsy ny mivoaka
Hitokona an-dalambe
Manantena hisy handre
Hita mihitsy hoe te hitroatra 
Nefa moa tsy afa manoatra
Satria bebaoty  indray no tamy
Hanipy baomba hampitomany
Ny sisa atao dia miantso tody
Lasa mandraingiraingy mody
Tsy tantara na angano e …
Fa dia toy ny fahirano

Rasamy

Laisser un commentaire