Endrey izany hafaliako
Tò indray ny faniriako
f’ilay zanako vavy,
izay nandao ny mpianakavy,
nianatra ivelan’ny Madagasikara,
no indro ankehitriny nahavita soamantsara
izato fianarany.
Tontosa hatramin’ny farany
Faly aho tena faly
Tsaroako ho toy ny vao omaly
izy notsofiko rano,
ny masoko nanganohano
Manko aho niahiahy ny amin’ny fiainany any andafy
Lavi-dray sy reny ka mety hihafiafy
Hipetraka irery any an-tanin’olona
Kanefa dia nifofotra, nianatra, nitolona
Tsy nivarilavo fa nahay nifehy tena
Nampiseho fahaizana sy fahendrena
Misaotra indrindra zanako
Tsy very maina akory ny vola sy fananako
Mitsodrano anao hatrany hahita fahasambarana
Amin’ny fiainana hoavy taorian’ny fianarana
Rasamy