Mba mandihiza
Rehefa anaty fety
dia ataovy izay mba mety e
Manko mahafaly indrindra ny mpanasa
Mahita anao mitsangana tsy mihafahafa
Mandihy mitotorebika manaraka mozika
Miatomboka amin’ny dihy mahazatra antsika
Tsy inona izany fa ny afindrafindrao
Dihy hahafantarana ny mahagasy anao
Mitohy amin’ny dihy iarahana manao
Tarihin’ny mpanentana avy eny aloha
Hahetsika daholo ny vatana sy loha
Ny dihim-pitombenana tsy adino ihany koa
Tsy ankijerijery, tsy ankisalasalasa
Izay mahatsiaro vizana, misitaka miala.
Mantsy mahagaga mandritra ny koràna
fa misy koa mazàna,
ireo tsy mba mandihy fa hita ho malaina
Tsy leo mipetrapetraka hatry ny maraina
Hatrany ampiangonana
Dia mbola mitohy anatin’ny lanonana
Ny hanina no haniny, ny kibo no fenoiny
Ny mozika fotsiny ihany no henoiny
Na dihy tambabe io, na tsiroaroa
Samy tsisy mety aminy avokoa
Sady tsy hihira no tsy hanao tsianjery
Fa mihinan-kanina dia mijerijery
Sa ve sarokenatra dia tsy sahy mijoro?
Mba mandihiza re, f’aza midororororo e.
Rasamy