Tsara tsodrano

Tsara tsodrano

Eny re ry Andoniaina
Faly sahirana ny saina
mahita anao hanambady
Ndeha ataoko hoe sahady
satria toa vetivety ihany, 
mbola tsaroako tamin’izany,
ianao ilay zaza nitomany,
niangotingoty tamin’i Neny.
Lehibe hoazy teny
Tsaroako izaho ilay nandao
vao enimbolana ianao
Taona vitsy aho tany andafy 
Ianao sy Neny nihafiafy
Fa taty aoriana indray
ianao no nandao anay
Mbola ankizy tsy ampy taona, 
dia nanao mandram-pihaona
Nandeha nisidina ho any ampita
Hianatra mba ho tafita
Ankehitriny izao dia vita
ilay fianarana natao
Nahazo diplaoma ianao
Eny faly izao i Dada, sambatsambatra i Neny,
satria ianao dia zaza matotra, sady nankato ny teny
Tsy hoe nandanindany vola, raha nandao ny firenena 
fa nianatra tokoa, nampiseho fahendrena
Dia avy eo zahay nanantena
f’ianao hody amin’izay
hiverina  ao antokantranonay
Tokony hiaraka eny isika, satria nisaraka elabe 
Nefa gaga izahay nandre 
f’ianao manana olon-tiana
tena olona hovadiana 
Ny hany azonay atao dia mivavaka mangina
Hoe ny olon-tianao anie, ho olombanona tokoa
Ka ny tokantranonao mba ho tokantrano soa
Mba ho tokantrano sambatra, lavitry ny fijaliana 
Ho ambinin’Andriamanitra, ho tobaky ny fifaliana
Aza atao mahagaga ny masonay manganohano
Fa ny fo sy sainay kosa, dia tena mitsodrano

Ho anao kosa tovolahy
Miaramila sahisahy
Ianao ihany koa raha ny kely fantatray
Mbola ankizy dia kamboty, tsisy reny tsisy ray
Fa ankehitriny kosa dia indreto izahay 
Handray anao amin’ny fo tena ho toy ny zanakay
Manomboka eto ihany koa ianao dia manan-jandry
Nefa aza manahy fa tsy ho be ny adidy miandry
Izahay manko tsy mitady hoe: omeo valim-babena
Tsy hangataka ihany koa omena vola sy harena
Fa ny tena hangatahina ary tena faniriana
Io vavy tokako io tandremo sao ampijaliana
Feno fitiavana io tao antokantranonay
Koa ny adidy miandry anao dia ny hampiadana azy indray
N’inona n’inona hatezerana sy mety ho fahasahiranana 
Fadio tena fadio ny mikasikasi-tanana
Hafatrafatra ihany izany f’izahay mahatoky
Fa olombanona ianao, ho vady hendry sady ho zoky
Koa indro aho mitsodrano, mahaleova mahalasana
Ho tò avokoa anie izay rehetra fikasana.

Rasamy

Laisser un commentaire