Miroborobo ery ny sekta
Bobaka spekta
hatreny Antsonjombe
Vahoaka marobe
no miandry fahagagana
Hono te hiala anaty fahantrana
sady koa hibebaka noho ny fahotana
Mibitaka mihitsy ary izato Pasitera
Mandeha manko ny afera
Angatahiny mafy arotsaka omena
ny ampahafolon-karena
Hahazoana famonjena
Nefa moa avy aiza ireny olona ireny?
Moa va tsy ireo olona leo toriteny
tany amin’ireo fiangonana tranainy?
Mitovy ihany mantsy ny zavatra lazainy
Ny olona asainy manetrinetritena
nefa ny mpitarika te hanan-karena
Mandeha ny valopy tsisy fiafarany
Miondrika daholo na ambony na ambany
Fitaovana ihany sisa ny resam-pivavahana
Efa hatramin’ny fotoam-panjanahana
Rasamy